Acts 14

1Ary tamin’izany tao Ikonioma Paoly sy Barnabasy niara-niditra tao amin’ny Synagogan’ny jiosy ka niresaka tam-pahavitrihana ary ny vahoaka maro be Jiosy sy Grika dia nino. 2Fa ny jiosy izay tsy nankato kosa dia nanakorontana ny fisainan’ny jentilisa ka nahatonga azy ireo hanohitra ireo rahalahy.

3Ka nitoetra ela teo izy ireo, niteny am-pasahiana niaraka tamin’ny herin’ny Tompo, tamin’ny nanomezany porofo mahakasika ny hafatra ny amin’ny fahasoavany. Izy nanao izany tamin’ny alalan’ny famantarana sy fahagagana izay natao tamin’ny alalan’ny tanan’i Paoly sy Barnabasy. 4Saingy ny ankamaroan’ny tanàna dia nizarazara: ny olona sasany niandany niaraka tamin’ireo jiosy, ary ny sasany niaraka tamin’ireo apostoly.

5Rehefa nanandrana nandresy lahatra ny mpitarika azy ireo ny Jentilisa sy ny Jiosy mba hamono sy hitora-bato an’i Paoly sy Barnabasy, 6dia nanjary niafina izy ireo ary nandositra haingana tao an-tanànan’ny Lykaonia, Lystra sy Derbe, ary ireo tanàna manodidina ny faritra, 7ka tany izy ireo no nanambara ny filazantsara.

8Nisy lehilahy iray nipetraka tao Lystra, malemy ny tongony, hatrany an-kibon-dreniny, izay efa tsy nandeha hatramin’izay. 9Io lehilahy io nandre an’i Paoly niteny. Paoly nanatrika azy tsara teo amin’ny masony ka nahita fa manana finoana ny ho sitrana izy. 10Koa nilaza taminy izy tamin’ny feo mahery hoe: “Mitsangàna amin’ny tongotrao.” Noho ny avy eo ilay lehilahy dia nitsambikimbikina ary nandeha teo amin’ny manodidina.

11Rehefa nahita izay nataon’i Paoly ireo vahoaka maro be dia nanandratra ny feony izy ireo, niteny tamin’ny fitenin’ny Lykonia hoe: ‘’Nidina avy any an-danitra ho amintsika amin’ny endrik’olona ireo andriamanitra.’ 12Niantso an’ i Barabasy izy ireo hoe ‘‘Jopitera‘’, ary Paoly ‘‘Merkory‘’, satria izy no mpandaha-teny. 13Ny mpisoron’i Jopitera, izay ny tempoly dia teo ivelan’ny tanàna, dia nitondra omby sy fehiloha vy teo am-bavahady; izy sy ny vahoaka maro be nikasa hanome sorona.

14Fa ny apostoly, Barnabasy sy Paoly, rehefa nandre izany dia nandrovitra ny fitafiany izy ireo ka nandeha haingana ho ao anaty vahoaka, nitaraina sy niteny hoe: 15‘’Ry lehilahy, nahoana ianareo no manao izao zavatra izao? Izahay ihany koa dia olombelona mitovy fahatsapana aminareo ihany. Izahay mitondra ny filazantsara ho anareo, mba hitodihanareo hiala amin’izao zava-poana izao ho any amin’Andriamanitra velona, izay nanao ny lanitra, ny tany, ary ny ranomasina sy ny zava-drehetra izay ao aminy. 16Tamin’ny andro taloha, Izy dia namela ny firenena rehetra nandeha tamin’ny lalany manokana avy.

17Kanefa, Izy dia tsy namela ny tenany tsy hisy vavolombelona, tao amin’izany dia nanao ny tsara Izy ary nanome anareo ranon’orana avy any an-danitra sy vanim-potona mahavokatra, ka hameno ny fonareo amin’ny sakafo sy firavoravoana.‘’ 18Fa na dia tamin’izany teny izany aza, Paoly sy Barnabasy dia tsy nitsahatra nihazona ny vahoaka maro be tsy hanao sorona ho azy ireo.

19Fa ny Jiosy sasany avy ao Antiokia sy Ikonioma dia tonga ary nandresy lahatra ny vahoaka. Izy ireo nitora-bato an’i Paoly sy nitarika azy hivoaka ny tanàna, ary nieritreritra fa maty izy. 20Ary raha mbola nijoro nanodidina azy teo ireo mpianatra, dia nitsangana izy ary niditra ny tanàna. Ny ampitso, dia nandeha nankany Derbe niaraka tamin’i Barnabasy izy.

21Avy eo izy ireo nanambara ny filazantsara tao amin’izany tanàna izany ka nahazo mpianatra maro, niverina tao Lystra izy ireo, tany Ikonioma, sy tany Antiokia. 22Izy ireo dia nanohy nampahery ny fanahin’ireo mpianatra ary namporisika azy mba hanohy ao amin’ny finoana, no sady nilaza fa: ‘’Tsy maintsy amin’ny fahoriana maro be no hidirantsika ao amin’ny fanjakan‘Andriamanitra.‘’

23Rehefa nanendry loholona ho azy ireo teo amin’ny isam-piangonana izy ireo, sy nivavaka tamin’ny fifadian-kanina, dia natolotr’izy ireo ho an’ny Tompo izany, izay ninoan’izy ireo. 24Dia nandalo tamin’ny Pisidia izy ireo ka tonga tao Panfilia. 25Rehefa nanambara ny teny tao Perga izy ireo, dia nandeha nidina tany Atalia. 26Avy tany izy ireo no niantsambo nidina ho any Antiokia, izay nahazoan’izy ireo ny fahasoavan’ Andriamanitra ho an’ny asa izay vitan’izy ireo ankehitriny.

27Rehefa tonga tao Antioka izy ireo ary nanangona niaraka ny fiangonana, dia nitatitra ny zavatra rehetra izay vitan’Andriamanitra tamin’izy ireo, sy hoe ahoana no namoahany varavaran’ny finoana ho an’ireo Jentilisa. Dia nijanona fotoana ela niaraka tamin’ireo mpianatra izy ireo

28

Copyright information for PltULB